Izy... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiko ny endrikao
eny tiako tsotra izao
ny fitia avy aminao
tsy hanadinoako anao

fotoana fohy nifanenana
nahitako hafanana
betsaka ny soa hita
na ny rano niaraha-nita

reny,namana, tsy adino
eny, iza moa no hino?
Fa ianao nandao tsy fidiny
noho ny aretina sy ngidiny

Lozako ny tsy nahita
ny adidiko tsy vita
fa ianao lasa tampoka
mafy ireny, toy ny kapoka

tsy hoadinoiko raha ianao
sy ny soa natolotrao
enga anie ny Ray tsy toha
ka hitahy anao tokoa.

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1172 1
Mpakafy: IMR
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/03/2010 15:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162