Ratra ho afaka (AMN (Arialy))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fa ianao angaha mihevitra fa izy iny kilalaoka hoe mankaleo sy azo hariana tsotra izao
toy ny tsy nisainana ilay fitia niaraha-nita
ka hoe lakana havela fa ianao efa tafita
ny tendrim-po ekeko fa mety tsy hoe finidy
rehefa izay no natao dia nekena ho safidy
ny hoe lalao fitia amiko dia azo asiana fetra
fa tsy izay mandalo dia anaovan-tsetrasetra
ianao no nilaza taminy fa hoe tena babo
ka izao hitsaoka toy ny tavela, tara sambo
fa hoe lany fotoana raha hijanona aminy eo
ka naleonao nandeha, tsy nitsetra ny toreo
izy anefa dia lahona, sady nilaza fa hoe fay
tsy te hitia intsony aloha sao harary fo indray
fa ilay notiaviny iny lasa, efa dila tsy voatana
tsy azony nohazonina ela fa hoe efa tsy tamana
Raha toa izay no nety taminao izay nandao
fa nahoana no tsy nohenoina ilay izy nitalaho
fa ianao nitari-dositra toy ny olon-dratsy lasa
ka izy no natsipy toy ny lamba ratsy sasa
ny alahelony handao, ny anao, hanao ahoana?
sao hiverina hihaody toy ny tantely noana
ho afaka ilay ratrany ka hiverina amin'ny laoniny
ka ho olon-kafa indray no ho tiany sy ho maminy
AMN (Arialy)
--------
Rohy: