TIAKO NOHO IANAO (ANDRIANAIVO PAUL )
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako mihoatra noho ianao,Reo voninkazo an-jaridaina,
Raha mamelatra
ny felany,
Amin'ny tsikin' ny maraina...
Tiak mihoatra noho ianao,
'Zato siokam- borinkely,
'Zay toa tsy fantatro,
Ho sarobidy velively...
Tiako mihotra noho ianao,
Ny voary manontolo,
Asa tanan'ny Nahary,
Tsy mba mety bobongolo...
Eny tiako noho ianao ,
Iry masoandro mpanazava,
Sy ny volana baliaka,
Na @ haizin-kitroka aza....
Koa raha ny fonao rahavako,
No tsy tianao mba ho ahy,
Ento lavitra ny tavako,
Fa mandrotika ny fanahy...
18/02/2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANAIVO PAULNampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 19/02/2017 04:13