IZAHO TSY TIA INTSONY! (ANDRINIAINA1)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO TSY TIA TSONY! "Izaho tsy tia intsony!"
F'aza mba mifanorisory:
Teo aho tsy noraharahina,
Ka ankehitriny ndray vao hoe tiana.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa efa nionona sy tony:
Niteny aho tsy nohenoina,
Ka izao indray ka hoe tsy foina.
"Izaho tsy tia intsony!"
F'aza asina lonilony:
Niangavy sy nitalaho aho tsy nojerena,
K'izao indray koa ka hoe miverena.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa efa leo romiromy:
Nandamina aho tsy nekena akory,
Ka ankehitriny ndray ka hoe aravony.
"Izaho tsy tia intsony!"
Ka avelao sy ajanony:
Ny fotoana sy hery lany ara efa nenina,
K'izao ndray ka hoe aleo averina.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa ny hafa indray no atony:
Ny tsy misy indray no forony,
Fa ny lasa tsy hiverina intsony.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa efa niova hono ny fony:
Teo aminao angamba tsy tsara,
Ka zao ndray ka hoe iri-ho anjara.
"Izaho tsy tia intsony!"
Ndrao heverina fa mandrongony:
Fa tia zah lazaina fa jamba sy adala,
K'izao ndray ka hoe malala.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa ny hafa indray no otrony:
Satria tsy tiako hiverenana,
Ny lasa nanenenana.
ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana
Mpakafy:
haraldtohaina