NY ASAKO (ANDRY KANTO MENDRIKA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho niantsa teny foanaRaha misy ny fotoana
Moa ve? Fantatrao
Ny tononkalo kilalao
Mahaiza mihaino ka fakao
Halalino ka zahao
Fa kilalaon-teny
Misy hafatra omeny
Raha toa tsy fantatrao
Ny poeta tia anao
Mananatra ohatr’izao
Ny tononkalo no hirao
Ny anarako dia tsotra
Andry kanto mendrika
Ny lalako mizotra
Ary tsy mba mety rendrika
--------
Rohy: