Ampidiro aloha ny tenimiafina
TIAKO IANAO (ANDRY KANTO MENDRIKA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao no hany faniriako Tiako ianao ary tena tiako
Ny foko no omeko anao
Raiso re ! raha sitrakao
Hiaraka aminao
Hitafa aminao
Ny ao am-poko ao
Tiako ho fantatrao
Tsy izaho no miteny
Na mitafa aminao
Misy hafatra ombieny
Miverimberina ao
Hafatra mangiana
Hampitan-tononkalo
Mampita faniriana
Valio raha toa mahatsiaro
ANDRY KANTO MENDRIKA
14/09/23
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
