IZA NO HO FIDIAKO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no ho fidiako?

Iraika ambi-efapolo
no miandry valiny amiko
Samy sahy mijoro
Hitondra ity taniko
Milaza fa havanana
sy olom-pandrosoana
Avara-pianarana
nahatsapa fiantsoana

ka iza no ho fidiako?

f'iraika ambi-efapolo
no miandry valiny amiko
samy sahy mijoro
Hitondra ity taniko
sakaizan'ny lalàna-
Maniry fitondrana
fahavalo-pahantrana-
Mikendry fahefana

ka iza no ho fidiako ?

Ry ranona efa fantatro
fa maro vorom-by
Angamba anandratr'avo
'ty fireneko ity
hanidin'eny ambony
hanakatra ny lanitra
ka tsy ho nofy intsony
Ny hetahetan'ny mahantra

Ry ranona mazava
fa avy any andoha-saha
Angamba hampiaka-danja
Ny toeran'ny tantsaha
Ho be ny voka-bary
ka hiadana ny tany
ho foana ny mosary
raha izy ireo no ho lany

Ry ranona tsy miafina
fa tafi-panjakana
Angamba hanatsikafona
ny fandikan-dalàna
Ka ho maro ireo dahalo
No tsy hahita aleha
Ireo totakely maro
ho tapatapa-pe

Ry ranona efa reko
fa toa mpikalokalo
Angamba hody ho ventso
Ireo ratsy nifangaro
Ny asa ataony an-kira
ho vita tsy atao
Ho gaga sy ho variana
Izao tontolo izao

Ka iza no ho fidiako?
F'iraika amby efa-polo
No miandry valiny amiko
Samy sahy mijoro
Hitondra ity taniko
Na antitra efa konka
Na mbola maitso volo
Milaza hanafa-doza
Ny Gasy manontolo

Loza ity rankizy!
F'izaho indray no sahirana
Maniry mba hifidy
Fa tsy hita izay mangirana
Aleoko angamba aloha
Hiato sy hijanona
Toa mankarary an-doha
Ny fifidianan-dRanona

ANJARIVO Ronsard
5 May 2013
--------
Rohy:
1804 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099