TETEZAMITA (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tetezamita ,tsy mety ho vita
Tsy voatanisa, ireo maty nitsitra
tao anatin'ny fiaran'ity Gasikara
fa latsak'ambany ny fanantenana!

Mitady ny tsy hita,
Manao ny efa vita,
Mampandry adrisa,
Manao fikafika,
Tsy lao disadisa...
Izany no hita
miavosa tsy ritra
amin'ity pôlitika!

Asa angah!!
Mampanah!!

Milaza ho pandàla demokrasia
Mody mitsiky ary mody mitia
Nefa tsy izany!
Ankosoka ihany!

Ireo vahoaka toa voavidy
Izay mitraotra dia voahidy
toky kely no omeny
d'efa tsy ankiteniteny
Ny adalana rehetra ataony
S'ireo ota efa fanaony!!

Resi-torim-pahantrana
Tapi-dalana hombana
Reo valala be mandry
ka mangina sasa-miandry!

Angamba mbola ho taitra ihany
Rehefa tofoky ny jaly
na ho maimbo koa ny rany!!



ANJARIVO Ronsard
25 jolay 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
1600 2
Mpakafy: Ronsard - Ronsard
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143