Ho afaka eto isika... (ARIMBOLA FENOTSIKY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sanatria toa reny noterena hanala vohokaIreo olon'ny frantsa efa antitra sy koaka
Izay tsy maharary noho ny fitiavan-janaka
Fa fitiavantena fotsiny ka niezaka nitsipaka
Nanao ny fara-heriny hihazonana toerana
Ivohon'ny zanantany tsy hainy koa noferana
Fa niady koa niady, niady hatramin'ny farany
Niady fahafahana mba ho lovan'ny taranany
Koa fitondrana miaramila no fara vahaolana
Hampikombona ny vavany intsony tsy hivolana
Ka mandritra izay no fe-potoana manafaingana
Ny Fanovana rafitra izay noentiny namingana
Dia eto samy miandry manantena Fandrosoana
Ho afaka eto isika raha manaiky hiaraka hirona
Enga anie tsy hisy ny ho voabaikon'ny eritreritra
Hinia hamadi-tanindrazana, hivadibadi-kevitra
Raha izay no misy dia ity no ataovy an-tsaina:
Hirefotra izay tsy izy Ary am-parapofon'aina
Ilay vanja iray milevina an-tongotr'i Madagasikara
Mety hanova ho zava-doza ny fizotran'ny tantara
Arimbola Fenotsiky ✍️
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ARIMBOLA FENOTSIKYNampiditra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Daty : 25/09/2026 19:49
