MPANAKANTO (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo iray
Voasoratro tsy nahy.
Namoronako feo,
Noangolaiko avy eo.

Voarotsirotsy ny fanahy,
Taitra 'reo manodidina ahy.
Niara-nihira ny tontoloko:
To ny nofinofiko.

Ka ny andro izay nanjombona,
Ny ratra tsy nikombona
Voatemitry ny kanto:
'Zay ilay mpanakanto!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
450 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141