1+1=1 (Charlotte)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1+1=1 ....
Olon-tiako izy iny
tena tiako indrindra
Ny fitiavana hoetin'iny
fitia tsy hay afindra
.
Otriny oe tsy ety antany
ny miankina eo antratrany
Tsy mety lany mamy
ampy ahy ny hafanany
.
Maro anie ny tsara
fa hajaiko ze ananako
Nenay angamba efa anjara
mamatotra azy re ny tanako
.
Koa nizaniza ankahala
na misy fankam-panahy
Nenay fitia tsy mety miala
F'efa ray ampiana ray
.
Charlotte
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
megatsino