Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mafy horina ... (Charlotte)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy horina ....
Efa mafy horina
mifamatotra ny tanana
Tsy laitra hozonina
ao ampoko ilay fitiavana
.
Nizaniza olombelona
hankahala na anaratsy
Ilay fitia tsy hay afenina
Fa voamaika arantiranty
.
Koa samia matoky tena
ka ho lahitrin'ny ao ambony
Ny anjara ho resena
ka tsy hisaraka intsony
.
Dia ho lava izany diha
sanatria ho solafaka
Tsika moa samy tia
ilay fitiavana no anafaka.
.
Charlotte
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
megatsino
