HAVALONA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty andobon-dranomaso aho mahatsiahy ny vinantsikaIlay hoe ho lohataona foana ka feno vola-mibaliaka
Tsy misy rahona manakona na kotro-baratra manaitra
Fa higoka fahasambarana, tsy misy fiainana mafaitra
Hay ny anao kay lela mamy,misalom-pitaka sy vandy
Izaho kanefa tena tia dia, sahy nanolotra ny sandry
Nomeko no tantananao, mba handravahanao tontolo
Ny safonao sy ny horokoroka, hay kay fitaka daholo
Ankehitriny aho tonga saina,andeha tapahako ny tady
Ho fafako koa ny fafana,dia hafa indray no alaiko vady
Ka ny ranomaso rehetra sy irony jaly tany aloha
Asaiko ho meny fanafody dia hanorenany tamboho
Dia ho sitrana ny feriko
Rehefa izy anaty jeriko
Ny mombanao havaloko any
Fa efa izy indray no mamy
Ato anivon'ny tontoloko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 24/06/2024 06:10