NENINA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba tsy nomeko,ny foko manontoloDia tsy mba toy izao,
Sento tsy ankianto,no mifanolosolo
Fa no fitahinao,
Ianao nataoko ho vady,mba andry azo hifotorana
Ka dia mba no tolorana,
Nomeko fahasambarana,nomena fahadiovana
Izaho kay fandalovana,
Jamban'ny fitiavana aho,ka tsy nisaina akory
Dia niaraka natory,
Indrisy kay ry lasa,fery tsy hay sitranina
No indro tafajanona
Ranomaso lava,rofy sy tomany
Mananko anatiko any,
Mameno ny ato am-poko koa,ny ratram-pahatrana
Ny lamba tsy hay sasana
Harariko ho anao, ny fondro sy ny tsiny
Nasalotr'ahy fahiny,
Noho izany : ianao an-kahalaiko
Fa ny zanakao tazaiko
Ho solon-tsika roa...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 14/03/2024 08:48