TIAKO LOATRA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i DADAFARAtolotra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba hiloloavy siny,dia mba hanatero rano fa mangetaheta loatra
Te-hiaina fahasambarana mba mahita paradisa toy ny fiainana any ankoatra
Efa andro vitsivitsy,volana tsy tambo hisaina no nihaonatsika farany
Izay tsy nandroso akory,fa navela hiazoazo teo anivom-baravarany

Mba hivingitanao sakafo,fa tena noana fihadanana ny fitiavako androany
Opa sy karazan'ozona no niainako fahiny tsy mba nisy teny mamy
Hitako eto izao ianao,izay hinoako hoe anjara hizara sombim-pahasambarana
Antenaiko ho tonga lafatra ny fiainana tsidihako,isaky ny varavarana

Andao ianao aty anilako na dia iray minitra monja,kely azonao zaraina
Andao fa milanao ny bangako hiaraka hiriaria eraky ny zaridaina
Fa ianao no vonikazo manim-pofona mamelana manentoento ety an-tany
Dia izaho ilay tantely mpimonomonona fitiavana mpakafihy sy mpakamamy.

Tiako loatra tsy hay fefena
Ka avahako amin'ny maro sy lazaiko hoe harena
Ahy ianao manombok'eto
Izay ataoko ho fanafody ka hanasitrana ny sento
Nanjaka fony fahagola!
Mamy loatra ianao !
--------
Rohy:
653 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 22/07/2025 06:40
Antsantononkalo
Nantsain'i DADAFARAtolotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116