TSIARO (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a ! mandram-pa oviana
Vao ho sitrana tateraka ilay nam-paharariana
Isika tsy mba niady akory
Fa samy nanakipy maso dia amin'izay mba resin-tory

Malala a ! jambajamba fahasambarana
Karazan'embona sy hanina no injao mpanaingo varavarana
Raovina ianao vao hitako ?
Fa ny manadino atreto tena mbola tsy ho vitako

Malala a ! ireny boky izay voapenina
Tsy nandairan-tsetrok'afo na nivady ho lavenona
Vao maika aza miha vao
Ary mandrak’androany dia mbola miantsoantso anao

Malala a ! tsy mba manam-paharitana
Indray andro isika roa ho voavovo sy voafintana
Garazina anaty lapa
Fa ny fitiavako ato anaty tena mbola lalimpaka

Malala a ! anio ahy mbola manantena
Noho ny tany mihodikodina ka izy indray no hampifanena
Dia miverina mafana
Ilay fitiavantsika roa teny antanim-paharavana…
--------
Lien:
316 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155