TSY HIVERINA (DADAFARAtolotra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dombo angady an-tany lonaka, ka tsy hiverina hitombanaNivaro-mora tsy nahalafo, ka tsy hiverina hanombana
Aleo akatona ny pejy, izay voapenina fahiny
Ka ho rovitina ny boky fa, nangerok'iny lalana iny
Mbola ao himasoko ao, ireo tafiotran'ny tomany
Mijohy toa orana mikija, tena hoe nahavoto tany
Irony asa sy ny bainga, izay voavadika rehetra
Lasa fotaka avokoa, tsy misy hafahana mitoetra
Mafaitra tsiro toa tangena, mangidy lavitra toa vahona
Sasakalina mikitroka, fa tsy diavolantsembandrahona
Hazakazak'anaty haizina, tsambikimbikina aman-kipy
Godanam-pery tena lalina, tsy ho sitrana mihitsy
Miala fondro am-pitsikina, fa tsy mba azoko leferina
Maratra mafy ny fitiavako, ka tena tsy afaka hiverina
Raha ny taona tsisy ANAO, no hangazanina tsidihina
Vitako ny ankohonana, izay no azoko marihina
Ka miala tsiny aho fa tsy hiverina....!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 18/05/2026 09:54
