AN-TANY LAVITRA (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fanahy iniako ny niampita rano re ry taniko
Fa teren'ny zava-misy ka tsy maintsy hoe nandao
Mba hampamiratra ny hoavy izay nomaniko
Eny, mba hahafahako ihany koa mampandroso anao

Aty an-tany lavitra ankehitriny no misy ahy
Ka isan'andro vaky izao tsy mitsahatra mahatsiahy
Manina an'ilay akany sy ireo havan-tiana
Fahalalana no horatovona; nandaozana fianakaviana

Eh! Mamy tokoa lahy izany atao hoe tanindrazana
Na dia mahantra aza, hafa ihany ianao ry Gasikarako
Hiezaka sy hilofo aho mba hahitako fahombiazana
Ary tsy maintsy hiverina aho rehefa vita ny fianarako

Fidy Art Niaina Onjaniaina. 15 Febroary 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
255 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115