ILAY FASANA HO LAPAKO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toerana iray hitoeran'alahelo
Izay rehetra mandalo eo misento daholo
Io ilay toeram-ponenan'avelo
Fitoeran'ny matoatoa sy ny lolo

Milahatra mitomandavana
Lapa fonenan'ny fanahy mireny
Tsy maintsy aleha; tsy misy fandavana
Vata-mitsotra tsy afa-miteny

Izato rindrina vato matevina
Eo amboniny misy tanambokovoko
Ao ireo havanay no milevina
Mba te hitoetra ao koa ny foko

Nisaratsaraka ny vata-nitambatra
Lo sy potika tsy afa-manoatra
Ny faniriako mba hiara-tsambatra
Aminareo havako lasa any Ankoatra

Fidy Art Niaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fahafatesana
1048 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116