lazon'ady (heritreritro)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihitsoka ry zandry ny fotoana 'refa' noana a!Mipitsoka ny sandry raha voatery foana hitaona!
Mety ho ditsoka ny maso: vovoka no manoloana!
Fa raha ny herimpon'ny bandy, tsy ho resin'ny fotoana!
Ho azeran-dry lerony ialah' vao hevitra ts'hiraisana!
Tsy ho ferany ny fony, hialona an'lah': tiany hahita faisana!
Ny sera koa tsy tony, fa fosa mpanaratsy, ny ompa tsy voafetra!
Sedra avy ao ambony e: finoana no hany vatsy, amin'ny olana rehetra!
Tsotra ny ahy ny tetikady, ary tsy ho asiako sento:
Ny atao hoe lazon'ady: fo mbola manohy mitempo!
Mbola vonona hiady, n'inon'inona ho sedraina!
Ho an'ny zanaka sy vady, azo afoy hatramin'ny aina!
--------
Rohy:
Sokajy :
Hambom-po - Fitiavana - fiainana - fanantenana - fananarana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy