Vonjeo i Madagasikara (heritreritro)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra oVonjeo i Madagasikara
Ampy izay ny fahoriany
Anjakan'ireo baroa
Miha ratsy ny tantara
F'ireo mpitondra nitokiany
Hay mpamadika avokoa
Tsy an-tany tsy am-parafara
Fa dia mandry andriran'antsy
Voky lainga, heso, fantsy
Raha hitraotra voarara
Nefa koa tsy ampy vatsy
Ka angamba atsy ho atsy
Dia tsy maintsy ho very anjara
Ho ory sy hangasiasy
Ny vahoaka malagasy
Raha tsy efa tara loatra...
Mba amboary izay voavoatra
Ry Andriamanitra tsy toha
Hoy ny zanakao: i Zo
--------
Rohy: