RESAKA MISY VOLOMBAVA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESAKA MISY VOLOMBAVA.

Rehefa mandinika ahy iny i Neny,
Tsy maintsy miteny:
Harato amin'izay re ity volombava,
fa efa lava dia lava!
Angamba marina ny azy,
... Saingy... na ho voasazy
aho, io tsy halàko
fa hanambarako
ny fanaovam-beloma ny fahazazako;
Indrindra hitsenako
no sady hiarahabako
ny fahamatoran'ny hatanorako.
Ary io dia efa solon'ny fanazavako,
f'izaho raha miresaka matotra be
tena OLON-DEHIBE!...
...Ny volombavako io, koa, ilaiko
raha misy ny zava-mampiasa ny saiko,
dia lambolamboiko,
mba handrindra ny lafin'ny fihetseham-poko;
Ho Porofo, ihany koa,
f'izaho mpakatoa
tena mahafatra-po
an'i Zoky "JESOA"
"Apôsitôly" faha-teloambin'ny folo...
Apôsitôly amin'ilay misy volo,
volombava toy ny ahy;
Volombava Rangahy.
...ka ny ahy io tsy halàko
Fa tanisanisao eo ny tavan-drajako;
Babakoto e! Makia e!!!
Jereo 'zao i "Mesia"
Gidrogidro tarehy fa malaza, leiry,
(tamin'ity taona ity !)
...Ka na ho antitra aza aho, ka hiana-manjoko...
Ny volombavako ho fotsy fa tsy mba hafoiko
F'ho faly aho handre ireo kilonga kely
Miara-miteny: iny Ingahibe Noely!

__________Hj Raveloson__
--------
Rohy:
319 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097