Fitiavana (NY FANAMBY Nomenjanahary)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ny fo fa mientana ery Mangovitra hihaona aminao-ela tsy tony ka mienta-kafaliana,
Nangovim-pahakiviana
Ilay fo ao anaty,miandry anao foana
Angamba na ho tsara na ho ratsy de iriko mba hanoloana
Ilay fitia nifamatotra,mbola Mitoetra ka na voarara na tsia de tsy mba hanam-petra,
Fa tiko loatra raha ianao
Sanatria raha ny hoe"hifandao"
Tsika mbola maniry ankany,
Fiadanan-tsaina eto an-tany
Tiko tena tiko,andefy mandry mba hany faniriko
Mivavaha aky malala
Ho mandrakizay itony tantara
Mamiko loatra ange ianao e! Angamba de fitia mihoapapana ka tsy ho sapana
Anao rery de ahy rery
Mamiko toa tantely
MALALA O! Mba efa mivavaka ve ianao
Nametraka eo akatrehan'ny pandidy Fa ny anjara no izy fa ny antsika ange ka safidy e!
Aza sasatra aky malalako,
Fa izany no mba isasarako
De inao tiko indrindra
No mba hamelako singa na hoe"sombin'aina" ho fiadanan-tsaina
(Ilay FANAMBY,fitiavana,desambre2021)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY NomenjanaharyNampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 20/12/2021 10:43