Ilay rosekely (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ela Izay Naniriako

Ela izay naniriako,
Rose kely tsaratsara,
Izany mantsy no mba tiako,
Mba handravaka ny tanàna.

Ela izay nitadiavana,
Rose kely maitso mavana,
Izany mantsy no mba hery,
Ho entiko eny ho eny.

Ela izay nikasako izay,
Rose kely eny aminay,
Tiako mantsy raha mba anjara,
Ravaka eny am-parafara.

Ela izay, tena ela,
Rose ihany kay sa apela?
Eny, izany mihintsiny
Raha ny tokony ho hitsiny.
(Ilay FANAMBY,ilay rosekely 2023)
--------
Rohy:
808 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 11/07/2023 19:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114