Ilay tokako enty atany (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena fa ny tsara tsy lany
Ekena indray fa maro ny te ho any
Nefa ny fiainana mandalo ihany
Noho izany dia ianao no tokako eto an-tany

Ekena fa maro izy ireny
Nefa hafa raha ianao
Mamiko loatra irery
Na amin’ny hafa akilabao

Mandalo hoy aho ny fiainana
Mandalo ho tantara
Ianao no ho andry ny fiainana
Tarafin’ny any afara

Tokatrano sambatra
Asitrampo tsy nisy mpandidy
Intsika izao mitambatra
Ho reharehan’ireo faramandimby

(Ilay tokako,Ilay FANAMBY,jullet 2022)
--------
Rohy:
730 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122