Ny aina (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Aina

Ny aiko dia tsy ahy,
Fa mbola misy Mpiahy,
Ka na anio aza no halainy,
Tanteraka izay kasainy.

Ny aina tsy mifametra,
Noho Izy manampetra,
Fa na anio aza no hiala,
Ianao tsy hana-kambara.

Ny aina hono sarobidy,
Satria tsy mba voavidy,
Ary tsy maro fa tokana,
Ka arovy sao misy misompatra.

Ny aina lahy, Ramangatahiana,
Aza amoizana olon-tiana,
Fa na tianao aza izy,
Ianao mbola manana adidy.

Ny aina lahy tokana,
Tsy miankina amin-toetra,
Ka na ianao aza no bonkona,
Avelao ny herisetra.


(NY FANAMBY Nomenjanahary,Ny aina..fevrier 2023)
--------
Rohy:
397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115