Ny anjara (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKEHITRINY,
Ny anjara dia safidy,
Tondro iray tsy voadidy,
Anjara samirery,
Amin’ny fahalalahana tsy misy tery

Ny anjara dia tsy tantara,
Tsy misy iandohana, fiafarana,
Fa tondro iray amin-katsarana,
Bika aman’endrika ao tsara

Ny anjara dia tsy lahatra,
Fa safidy amam-boninahitra,
Tsy tendry any ambony,
Fa izay sitraky ny fony

Ny anjara dia maromaro,
Fafinaretana mandalo,
Fitiavana eny an-dalana,
Heverina hoe “anjaram-pahatanorana”

Ny anjara dia tsy anakinana,
Ary koa tsy fanambinana,
Fa tondro amam-karoka,
Ho an’izay tia misarika

Ny anjara dia tsy maharitra,
Fa araka ny voninahitra,
Ary tsy mitoetra ela,
Fa araka ny safidin-tena

Ny anjara dia avy ambony,
Nefa tsy mitoetra ela akory,
Fa anjara manana fotoana,
No hitanao maniloana

Ny anjara dia tendry,
Avy amin’ireo olo-kendry,
Tsy mahery fa azo lavina,
Araka izay tadiavina

Ny anjara dia sarotra inoana,
Satria araka ny vanim-potoana,
Fa ny anjara tena ireharehana,
Dia ilay mandrakizay itambarana

(Ilay FANAMBY.Ny anjara Aogositra 2021)
--------
Rohy:
1043 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123