Tena tia (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tia,Tena tia marina,
Na inona hambipo miseho
De mbola tsy miova ny foko hatreto
Tena tia marina,
Fa na inona adiady
Ny ao an-tsaiko de haka anao ho vady
Tena tia anao marina,
Fa na inona fampirefesana
Mbola ianao foana no imatesana
Tena tia anao marina,
Satria na inona tantaraina
De any aminao foana za lasa saina
Tena tia anao marina,
Fa na inona tsy fifanarahana
Ny foko tsy manaiky fisarahana
Tena tia marina,
Sasak’alina ianao mbola tsy avy
Nefa eto foana zaho miandry
Tena tia marina,
Sasak’alina ianao mbola tsy avy
Miandry anao foana aho hanambitamby
Tiko marina ianao,
Fa na inona maharary, mampitoloko
De any aminao foana ny foko
(Ilay FANAMBY,tena tia, lundi 01/08/2022)
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
