Masina Ianao (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masina ianao
Masina ianao ry Tsitoha
Ilay Tompo tsy mba mandao
Ny finoako tsy hizara roa
Fa ho anao irery hatram’izao

Masina ianao Andriamanitra
Ka ho deraiko mandrakizay
Ny fiainako rehetra hiaritra
Ny fisedrana mety hahamay

Masina ianao ry Mpamonjy
Ka atolotro ho anao ity foko
Ho rakitra tsy hisy fondro
Ka afoiko tsy misy toloko.

Ny fiainako rehetra ho anao
Ry ilay avo indrindra
Ka hamasino hatrizao
Ho anao ry Tompo Mpandrindra
anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1848 1
Mpakafy: oziafanomezana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/04/2015 10:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0622