Ilay sokina (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Niala tao Ankatso ka eo Ambohidempona"Teo amoron-drano, 'ndray mandeha,
Nisy sokina nirehareha.
'Zay valala sendra mba nandalo
Lany ripak'itsy fahavalo.
Kanjo tampoka, injany feo !
Taitra Isokina ka lasa teo.
'Njay ny feo !... akaiky !... feon'aliaka…
Aiza no nilefa ihavantsika ?
Indro, lavaka mitanatana !
Niditra izy, sempotra sy ana !
Nefa loza ? _ "Dadako, mangidy !"
Njany tandramokotra mihidy !
Ketoka ny loha manontolo,
Ka nitsanga-menatra ny volo !
Loza nilefana ; loza hita !...
Vetivety foana : maty ! Vita !
Drakaka madonda efa liana
No nitsentsitra amim-pifaliana !
To' izany, mantsy, ny eto an-tany :
'Zay manimba mbola hitomany !
Voambolana:
Drakaka: karazam-poza vaventy, somary volomparasy manjamanja, monina eny amoron'ony, akaikin'ny vinany, fa tsy dia hatrany an-dohany tsy akory. Tsy fihinan'ny Antemoro izy io, nefa toa akafizin'ny Antesaka.
--------
Rohy:
Mpakafy:
Jantina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Johanesa Rakotovao, mpitandrinaNampiditra : Jantina
Daty : 01/08/2019 13:11