Isaina (Karako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isa
Misaina ny hody aho izany

Roa
Rotsian'ny fahatsiarovana

Telo
Tilian'ny hanina avy any

Efatra
Efa tratrin'embonareo

Dimy
Dia mivetsovetso ny akany !

Raha hody aho anefa dia aiza ?
Aty mba efa misy sakaiza
Sady ananako sombina tany
Kanefa toa vahiny ihany !

Raha hody aho mbola ho tadidy ?
Sao sendra izay trano mihidy
Ny fiainanareo tsy nijanona
Tsy niandry izay nankany Ananona.

Enina
Tsy nenina anefa tsy akory

Fito
Fitadiavana mahazaka maniraka

Valo
Valovotaka izahay aty...

Sivy
Tsy vita mora safidy ry zandry

Folo
Folo hafatra i Dada sy i Neny !

Haja Raharijaona
2018-12-24
--------
Rohy:
928 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Karako
Nampiditra : karako
Daty : 29/12/2018 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105