Sahia milaza (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahia ...

Inay ianao mba sahy nilaza
Reo teny zay namelovelo
Tanaty bitsika sahaza
Tahaka ny tsiambaratelo

Inay ianao niloa-bava
Reo teny izay mba nantenaiko
Na hahamena ireto tava
Hahasadaikatra ny saiko

Inay ho nambara tsisy fetra
Izay faniriana ,fitenenana
Ny ho avy tsy mba azo atoetra
Eo ambony fanenenana

Tokony ho nambara ihany
Fampanantenana mahaliana
Tsy ilaina akory ny tomany
Rehefa tratra any aoriana

Tokony ho nambara re !
Na ho voavaha , na ho adinoina
Ny fahanginana anie
Ka tsy zaka raha henoina

Sahia milaza hoe tia
Alohan'ny fotoana iray
Ka ny rivotra hania
Ny teny ho very mandrakizay

Raha toa moa ilay fitia nalazo
Noho ny aloky ny vintana
Ka himaona tsy hivazo
Noho ny aloky ny fahanginana .

Ketaka kely
--------
Rohy:
1652 1
Mpakafy: nyratsima
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsima
Daty : 02/08/2009 16:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142