izy hono (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
izy hono manam-bola
ka mizara sy mandray
amin'ny tiany sy maminy

izy hono tsy mba tola
fa mahay mampiray
ireo toaviny sy laniny

izy hono mahalala
izay marina sy diso
ka mifosa hatrany hatrany

izy hono tsy adala
tsy manao hata-piso
fa manome eran-tany

izy hono efa masina
tsisy heloka intsony
ka mitsara sy mamonja

izy hono manakasina
ka malalaka ny fony
tsy mba vato fa diamondra

izy hono efa ambony
manan-tsakaiza be harena
tsy mila resaky ny kely

izy hono tsy eto intsony
tsy voafehim-pirenena
ny fahefany efa miely.

lamour
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
902 0
Hevitra mandeha
sitlo ( 04/11/2008 00:49)
Inona izany tola ry papa?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 02/11/2008 11:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01