izaho irery (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona maro izay
No niainako tety
Kanefa hatramin’izay
Tsy nahalalako ny fitia
Fa fiainana hafa kely
No niainako satria
Irery foana teny
Tsy mba nisy mpankafy

Nisy ihany anefa
Ireo nanaitra ity foko
Saingy diso fiantefa
Ka zary niova ho toloko
Izaho koa tsy sahy
Ny hanatona satria
Be ahiahy
Sady menatra an-dry

Dia naleoko ihany
Irery foana teny
Kanefa ny fotoana
Mandroso ombieny ombieny
K’asa lahy
Mba rahoviana
Izaho no ho sahy
Sy mba hanana olon-tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Namana - embona - Alahelo - Fitiavana
1526 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138