Tsy maninona (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa tsy sitrakao
Ny fiarahantsika roa
Tsy maninona lazao
Raha toa ho lavinao
Ny hiarahako aminao
Tsy maninona ambarao
Fa hiezaka aho ny hitia
Anao hatrany hatrany
Tsy hihemotra aho satria
Ianao irery ihany
No tiako eto an-tany
Raha misy olon-kafa
Efa miaraka aminao
Tsy maninona lazao
Na koa olon-kafa
Andrandrain'ny fonao
Tsy maninona ambarao
Fa vonona aho ny hitia
Anao an-tsokosoko
Tsy maninona satria
Efa voasikotra ato am-poko
Raha toa ny fahantrako
No mampihemotra anao
Tsy maninona lazao
Na koa ny firazanako
No tsy mitovy ny anao
Tsy maninona ambarao
Fa vonona aho ny hanompo anao
Hatramin'ny fara-fofon'aiko
Ny ho bodo sy andevonao
Tsy maninona ho zakaiko

Sa kosa ho tokan-tena
Hisafidy hanao masera
Tsy maninona lazao
Fa vonona aho hanao maopera
Na koa hanao frera
Hanakakaizako anao
F'efa lalim-paka ilay fitia
Tsy ho faty intsony sanatria
vonona aho ny hitia an-dry
Mandrakizay doria doria
--------
Rohy:
1802 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 03/12/2009 20:35)
snif
rivaando ( 11/01/2010 08:36)
defa araana hatrany @ndry masera mitsy ve? hihi
manantena12 ( 14/01/2010 14:33)
Atao ahoana refa tia eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145