TONOM-BAVAKA (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOM-BAVAKA

Tiako Tompo ny andro izay nomenao ahy
Tiako ka ataoko tsy misy mampanahy
Na be aza ny ady atrehina matetika eo amin'ny fiainana
Dia Ianao tsy mandao fa eo foana izarana fitarainana

Misaotra fa mahafinaritra ahy ny tontolo androko androany
Misaotra noho ny soa izay narotsakao tsy mety lany
Na be aza ireo manaratsy tsy ataoko ahakivy izany
Fa ny fiainako kosa dia hifaliako miaraka Aminao hatrany

Misaotra Ray ô! tsy hitako izay havaly izao
Tahio hatrany ity Haja kely zanakao
Omeo hery hamitana ireo asa aman-draharaha
Indrindra fa ny fianarana ary mba hahazo tena aim-panahy

Tahio ihany koa ireo namako izay mahavaky ity
Fantatrao fa mbola maro izy ireny no mania
Omeo fo sy saina handinika ny tsara eto an-tany
mba tsy hanenina izy ireny any am-parany any

Eo koa ireo mpianatra madinika
Tolory saina hendry hafahany mandinika
ampaherezo ireo ray aman-dreniny hahay hitaiza azy ireo
Hahery hatrany eo amin'ny fiainana fa mba tsy hitoreo

farany angatahiko Aminao Ray dia ity teny kely
Omeo fahendrena fa matetika zay no tsy ampy velively
Olombelona ihany manko ny tenako ka mora mivily
Nefa matoky aho rehefa eo Ianao Mpamily

Mi'andry Berantoson (‪#‎Haja‬)
--------
Rohy:
2660 1
Mpakafy: tmjjah
Hevitra mandeha
tmjjah ( 11/04/2014 06:10)
Natokana ho ahy sy ho anao mpamaky e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142