VAVAKA (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao Aminao no nahazoako hafaliana maharitra
Tao Aminao no nisy ilay fiainana tena mahafinaritra
Toa tsaroaka ho feno fiadanana izany fiainako
satria eo Ianao mbola afaka hitarainako

Tsy misy atakaloko Anao ry Tompo
Raha mbola misy aina dia hazoto ny hanompo
raha izay enjika sy ny fanaratsiana tsy ahoako izany
raha ny olona no tsy tia dia Ianao mbola eo ihany

Tantano aho hahay mizotra amin'ny lalan-tery
fa maro ny fakam-panahy ka indraindray toa mila ho very
raha ny androko sisa dia iriko irahana Aminao
mba tsy hiverenako lalana intsony fa efa olom-baovao

raha mbola misy hafaliana kely ao anatiko ao
dia natokako hatrany mbola hiderana Anao
Ampeherezo Tompo ity zandrikelinao
ampeherezo fa mihamafy izao fiainana izao

Omeo hery hatrany aho mba hiatrika ny tontolo andro
mba ho feno hafaliana tokoa mandra mpidify ilay masoandro
toy izany koa ireo namako marobe tsy hay tanisaina
omeo fahalalana hitodika Aminao ay tena ho tonga saina

Tahio izahay rehetra n'iza n'iza izany!!!
na ny eto an-toerana na ny any lavitra any
omeo fahasitranana ireo marary rehetra
ka hafahany midera Anao tsy misy fetra

Izany rehetra izany dia iriako sy hangatahana Aminao
mba tsy ho very maina ilay fikelezan'aina hatrizay ka hatrizao
raha misy fantatrao fa mahasoa anay nefa tsy voasoratra
dia tanteraho araka ny haben'ny indrafonao ary tena mankasitraka

Misaotra Ray รด!
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fampaherezana - Vavaka
1727 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097