TARA IZATO FOKO (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tara izato foko

endrikao toa raitra;
ny feonao manaitra,
ny bikanao toa kanto,
ny fitafinao milanto
ilay masonao mijery;
mibanjina ahy irery;
toy ny tselabala-balatra,
mamiratra tomaratra,
no najary tonga nofy,
ilay endrikao farofy;
mitsiky lalandava,
mamiratra mazava,
tsy mety miala an-tsaina,
miendrika maraina,
mitondra hery vao,
iny famindranao;
ny tongotra mamindra;
voalanto sy mirindra,
no vao mainka nampitombo,
hisakoroka hirombo;
fa tena tiako ianao
ary tiako tsotra izao

MIKANTO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1024 1
Mpakafy: mikanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138