Ny eto an-tanana (Nofy2)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malaza eto an-tanana ny fanalana zazahatramin’ny vao misandratra na efa madama
tsy kely na lehibe injao mitamatama
tsy menatra intsony manao ny hadalana
atsy ananona atsy toerana mangina
izay rehetra zatovo na tanora samy liana
tena sahisahy mitondra olon-tiana
dia mifanorokoroka, ianao indray no variana
ery ampita ery feno makorelina
jereo fa mitandahatra vao tonga ny amin’ny enina
ianao indray no sahirana fa mila ho badenina
mahatazana ny entana tsy takona afenina
dia izay no zava-misy iarahana mahalala
izany no malaza fanao eto an-tanana
tsy menatra intsony na dia efa rarana
hanao ahona ‘lahy izay mba hiafarana
Nofy2 07 Novembre 2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
nofy2