Madagasikarako....... (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara anao fa izaho no tena tia
hoy ilay vahiny;
Efa tiko io hatrin'ny ela ary mandrak' ankehitriny,
Izaho no tena tia fa ianareo dia mpanajary,
Koa voleo tsara izany taniko handreseko ny mosary,
Aza mety harebireby fa miasa ianareo mafy,
Manapara aina mitsy aza misy miafiafy.

De io tokoa Ramalagasy fa mifofotra mitrongy
Tsy mba ao antsainy akory ny fampiasany toy ny omby
De tsy mba miezaka manakatra fa miady an-trano lava
Tsy misy filaminana fa miaina anaty tabataba.....

Ny Ami
--------
Rohy:
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 13/06/2015 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145