Havako izy izay (Ny Avo Rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAVAKO IZY IZAYNa toy inona,na toy inona
Dia havako izy izay.
Ka aza ataonao tsinontsinona
Fa tsy fantatra ary tsy hay,
izay havoaky ny ampitso.
Na mananana,na ory
Dia izy foana no havako
Na mitsangana aho na matory
Dia tsy miova ny fitiavako.
Na inona no asany
Na inona kinasany
Dia havako izy izay
Na toy inona fiakanjony
Na toy inona fitafiny
Dia mpihavana izahay.
Ny Avo Rakoto
--------
Rohy:
Sokajy :
Fihavanana - Fiaraha-monina