Diary (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIARY


Ontsa aho anikeheo,
Raha nahita sy nanokatra
Dia namaky ilay diary
Ilay fanoratantsika,
Lay koa famakintsika,
Niraiketana izay vita
Lay nitahiry koa,
Ny amin´ny tantarantsika
Ny momba antsika roa.
Lay afa-mitanisa
Irony zavatra natao,
Niainako sy ianao.
Lay koa mba niraketako,
Lay sisa nandrafetako,
Lay hany nahafantatra
Ny tato am-poko niafina
Lay koa aza nahita,
Ny jaly, tomany lavako
Lay indrindra nipatrahan´
ny ranomason-tavako.
Raha nilaza ianao,
F´efa nahita hafa
Dia hafa vaovao.
Ka tsy afaka intsony,
Ny mbola hiaraka amiko
Ny marimarina aza,
Tsy tia ahy akory,
Dia...
Niangavy ahy ho tony

NY HARIAINA
(Dec 2011)
--------
Rohy:
1613 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 20/04/2012 11:19)
tsara izy zany ry nyhariaina a!, niainga be le fanahy an!
nyhariaina ( 25/04/2012 19:37)
Mba niainga kely fotsiny e! misaotra :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 21/12/2011 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146