Hifanadino isika (Ny Radontsoa Mamiratra)

Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifanadino isika

Mamy erỳ ny fahagola:
Tamin’ny oran’ny finoana
sy ny tsikin’ny fitia …
Izao toa rava moramora
ny hafaliana nety tola:
‘Zay narefo sy nalia …

Nahafinaritra ny “roa”,
raha nandia ny hain-tany
sy ny ali-mangatsiaka …
Iza moa no nanam-po fa,
any indray andro any,
hifanadino isika?


Ny Radontsoa Mamiratra
17/10/2023
--------
Lien:
414 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Radontsoa Mamiratra
Inséré par : NyRadontsoaMamiratra
Date : 15/12/2024 15:26
Lectures
Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0173