HAFATRA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRANisy HAFATRA niantefa
Voaraiko ato ampo
Hokoloiko tsy hilefa
Ary tsy avelako ho lo
HAFATRA mahamirana
Amin’ny andro manjombona
Antoka ifikirana
Tsy ahatafa-torombina
HAFATRA mampiavosa
Ny fifaliana tsaroana
Izay atao toa misosa
Raha vao IZY no antsoina
Inona ary ilay HAFATRA ?
Raha azonao antsaina, lazao
Sady fy IZY no fatratra :
“Aza adino fa izaho tia anao”
PETAKASOA
Alarobia 19 aogositra 2015
21:36
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
malagasy1
(
26/08/2015 21:20)
Ilay HAFATRA mamy toa tantely
Tsy foy ho adino velively
HAFATRA tena tonga lafatra
Manova fiainana ho sambatra
PETAKASOA
Tsy foy ho adino velively
HAFATRA tena tonga lafatra
Manova fiainana ho sambatra
PETAKASOA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabetokotany Latiana (Petakasoa)Nampiditra : petakasoa
Daty : 19/08/2015 19:45