Tompo ô! ataonay ahoana (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô ! Ataonay ahoana ?
(Atolotra an’i Haingomalala sy Doudou )

Tompo ô ! Ataonay ahoana no tsy ahatsiaro
Anao niambina ny tokantranonay sy niaro
Andriamanitra azo ianteherana sy itokiana
Nahatraranay izao faha 25 taona nivadiana

Tompo ô! Ataonay ahoana no tsy hametraka
Eo aminao ny hoavinay ,ho lavitry ny hetraketraka
Asesiky ny aizina sy ny asan’ny satàna
Mpanimba fitiavana, mpandefy hafanàna.

Tompo ô ! Ataonay ahoana no tsy hanome voninahitra
Anao Ray izay nahatraranay ity fety , salama sy finaritra
Ny dera sy ny haja ho Anao mandrakizay
Avy aminay 4 mianaka, ny fianakaviana sy ireo namanay.

Ketaka Ramaresaka (07/04/2011 à 20h55mn)
--------
Rohy:
2124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143