Nivavaka Aho Androany (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nivavaka aho androany, nivavaka ho ahy
Fa maro mantsy akia ny hotakota-piainana
Mandrotika ny atiko, mikiky ny fanahy
Na atoandro na alina, mandemy ny fisainana.

Nivavaka aho androany, nivavaka ho anao
Fa raha tsy teo ianao ry tokana fitiavako
Angamba aho lavo ihany, tsy sangy - tsy lalao
Fa tsaroako ho ritra mantsy ny zoto sy finiavako.

Nivavaka aho androany, nivavaka ho antsika
Fa mamy loatra akia ny natolotry ny anio
Na ianao nibitsika ny hoaviko baliaka
Na izaho sahy nanonofy fa lasa ilay tadio.
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fiainana
1542 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 09/10/2007 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111