Hafahafa ilay Fitia! (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaika aho fa adala
Ny minia tsy mahalala
Saingy indrisy tsy afa-miala
Mitia anao tsy misy mpahalala

Efa nataoko avokoa ny rehetra
Mba hamonoana ilay fitia
Kanefa indrisy nandroretra
Vao maika ity izy niriharia

Zay ezaka avy aminao tsy haiko
Ny tena marina tsy tiako ho sainina akory
Ndrao mety hankarary ny aiko
Ka hitondra alahelo sy sorisory.

Fa ny hany fantatro aloha
Dia izaho tena mbola tia
Ianao tsy mety afaka ato an-doha
Miredareda ao, ny afon'ilay fitia

Tena adala hoa isika
Soa ihany aza fa tsisy mpahita
Fitia hafa kely fa toa tena mafana
Miezaka ny hiala kanefa tamana.

Adala isika hoy aho
Mpifakatia tsy mba toy ny rehetra
Adala, eny adala hoy aho
Satria ny antsika dia be ny fepetra.

Asa re rahoviana ihany
Vao ho faty ity afo natsangatsika
Ka mba ho lasa ity hafanana
Hamela antsika roa mba hangatsiaka?

Indrisy fa kely ny finoako
Satria efa mba be zay vita zay
Fa toa ny eo ihany no eo
Isika roa toa tsy mba mety leo.
--------
Rohy:
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 18/01/2022 07:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148