Olombelona aho (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny tokoa tsy hananako
Na ny endrika na koa ny bika
Tsy misy harena ho ataoko hoe fananako
Latsaka ambany aho noho ny voditsobika

Zovy no homeko tsiny?
Ny Vintana sa ny anjara?
Ny mba ho tsara noho faniriany
Ny haratsiany no mameno tantara

Ratsy aho hoy izy,
Ny tarehiko tsy fampiseo masoandro
Ny mijery ahy mahakivy
Izany no reha, manon-tolo andro

Fa betsaka hoy izy no meva sy kanto
Na tarehy na ny vatana tena mahasarika
Fa ny ahy kosa tsy mampierika mpiantso
Toa lamba maloto tsy mendrika ho lafika.

Mba Mijereva hoy izy fitaratra
Ahitanao ny haratsinao
Fa endrika tsy misy lafatra
No mameno ny tavanao

Ka zovy moa aho no afaka hanova izany
Fa raisiko ho izay, no anjara ho ahy et an-tany
Tsy hakako lagy, tsy ho asiko olana
Fa io hendriko io tsy hadisoko, ka tsy asiako fifonana

Fa raha misy lafatra any, ndehana hazao
Fa ilay hartisan-tavako, tsy manahy havelao
Dia izy no derao, ary koa hankalazao
Ka homendalana ianao, satria efa tofoka sy lao.

Ra-Aina
24 Nov 2020
--------
Rohy:
466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 18/01/2022 07:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138