Mitomania ry Fireneko (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Maty ilay Maherinay",
hoy ny hiaka-tokan-janako,
niaraka amin'ny tomanin-dranon'erika matsora,
omaly alarobia maraina mbola vao nazavazava...
Samy kepoka izahay !
Ny ranomasoko tsy tanako,
fa malemy moa ny fo, ka toa aina goragora
sisa afa-nanontany : "Maty hoe Ratsimandrava" ?
Inay ny valiny fa tonga
- tsy nofy intsony na somonga - :
"Novonoin'ny F.R.S. ary tena notifiriny,
ka tsy tra-maraina akory noho ny ratra sy hirifiriny...
...Maty teny Ambohijatovo, dia ilay Ambohijatovo
toera-nifanila indrindra tamin'ny an'ireo zatovo
izay nitaky fivoarana
mba hitera-pahasambarana,
telo taona lasa izay... Nefa tsisy nanampo
Fa dia ho eo ihany koa
no ho voakapa ilay "Mahery" izay nitondra ny "ala-olana".
Vao tsy lasa hatraiza akory... dia nidify izao ny volana !

Maty teo Ratsimandrava...
Ka nisoka ny mazava.
He, mandrahona ny lanitra ary injany any ho any
mila hiarin-doha indray ny alo-panjanahantany
Lavo mantsy ilay Mahery sahy niaika fahavalo
fa na inona hitranga tsy mba azo atakalo
izany hoe fitiavantena
ny Fiandrianampirenena
sy ny Fahaleovantena.

Eny, lasa ilay Mahery, nandrandrain'ny Fokonolona,
tsy nitsahatra niady, tsy nitsahatra nitolona
hanjakan'ny tena Zo, nisintona ny toekarena
teo am-bavan'ny voay, mpitsentsitra ny tsy an'ny tena.
Ka vahoaka bongo maso
rotidrotiky ny ankaso,
no indreny tazako eto, manamorona ny làlany
mitomany sy misento atosiky 'ty fo adalany...
Fo adala ! hoy ianao
Angamba marina ny anao !
Nefa koa dia fo adala efa tsinjoko sy tazako
te-hiantso mafy hoe : “ Mitomania ry Tanindrazako,
fa lavo ny Maherinao...

Nefa aorian'izay
dia sahia mitraka indray
ary izao no ataovy voady : Raha andrarezina no lavo
mbola hisy andrarezina, - izay haniry ho tena avo...
RATSIMANDRAVA iray no lasa, fa hisy Tsimandrava arivo
mbola vonona hanohy izay nataony, ka tsahivo !
Hisy Tsimandrava an'alina ary koa an-tapitrisa
mbola vonona hiady sy hanohy ny asa sisa
ary na ho vy na vato, tsy hijanona ny tolona
raha tsy to izay kinasa : "Fanjakan'ny Fokonolona".
Ny miverina dia fady
Ary n'iza n'iza handady
indrindra moa f'ireo taloha
no hitsangana, hifoha...
dia ataonay sanatria ! Ny resy indray mandeha ekena,
Fa ny resy fanindroany tsy eken'ny Firenena ! ”

Nefa, aoka hangina aloha ! Fero kely ny hidivazana !
Mbola mitomany isika, fa am-bohitra ny Razana.


(12 febroary 1975)
--------
Rohy:
493 2
Mpakafy: LEVASOKA - hery
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 11/11/2024 12:47)
Ho ela velona anie ny Kanto MAlagasy
ZavonaRakoto ( 11/11/2024 12:48)
Ho ela velona anie ny Kanto Malagasy
TononkaloNM ( 13/11/2024 13:37)
Mbola tsy henoko ity Tononkalo ity. Mbola miandry an'i Tsimandrava mandra-kankehitriny ny Firenena Rado a ! Tsy azo atao very ny Fanantenana satria ny Fanantenana na kely dia kely aza no hipoiran'i Tsimandrava, na iray Io na Tsimandrava antapitrisa.
rina15 ( 15/11/2024 05:37)
Kanto loatra ilay asa-soratra fa voatantara tokoa ny zava-nitranga, indrindra moa ny alahelo nisoritra sy niseho tamin'ny tampoka tsy maha-lehilahy. Maty tokoa Ratsimandrava...efa nisy ve ilay solony ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/11/2024 10:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154