malahelo anao (RAKOTOMALALA Jean.chris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry tiako
Izao aty toa manina tsy ay
Tsarovy fa ianao no tiako
Tiako tena ho mandrakizay

Toa tsy afaka ato antsaiko
Ilay hendrikao ry aiko
Mambambo ny ao ato anatiko
Mandratra ny atiko

Tsy ireny ihany
no itiavako anao
Fa ao koa ny fanahy
Sy ny mombanao rehetra


Koa izany renao izany ary ny ato ampoko
Fa ny anao sisa no mahatonga toloko
Ka raha toa ka sitrakao dia eto aho
Vonona ny hiaino anao ry aiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5005 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Jean.chris
Nampiditra : tititi
Daty : 11/04/2006 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174